Entrée | 1 Eritreritra fahavaratra |
Partie du discours | 2 nom propre (titre de poème) [Liste complète] |
Mots élémentaires | 3 eritreritra, fahavaratra |
Vocabulaire | 4 Littérature: poèmes |
Auteur |
5 Rabearivelo Jean-Joseph |
Texte complet |
6 Mijononoka moramora ny orana avy hariva, 7 Ny alina madiva, 8 Hamonto an-torimaso ny lanitra sy tany, 9 Ka hitondra any ho any... 10 Any ho any, nefa aiza? Aiza ho aiza ry Fanahy 11 Toa reraka, manahy? 12 Aiza ho aiza no hampita izato nofinofinao 13 Izay mameno, no injao 14 Mihodinkodina ao am-po, mihodinkodina ao an-tsaina 15 Toa rano nafanaina? 16 Mitsilopilopy mora, toa mangovitra sy ory 17 Ny jiroko. Matory 18 Izay rehetra manoloana ny masoko mahery. 19 Aiza ho aiza no miery, 20 Ry Fanahy, ilay nofinofy izay namonto antsika teo? 21 Avia mamoaka feo, 22 Ka lazao am-bitsibitsika ao am-poko kely ao 23 Izay tena teninao, 24 Dia ho fantatro avokoa izay rehetra afenina ahy... 25 Mitenena, ry Fanahy. 26 Ny jiroko efa maty, ny orana efa lany; 27 Mangina koa ny tany, 28 Ka hatrao anatiko ao. Tsy misy reko intsony, 29 Tsy misy tsy mba tony... 30 Kanefa re, kanefa toa mbola be dia be 31 Ny fitiavako handre 32 Izay tena dinanao, ry vintana tsy fantatra! 33 Tsy mbola tena sambatra, 34 Sady feno tebiteby ny nofo sy ny saina 35 Ka he! mitaintaina! 36 Nihanalemy moramora ilay orana avy hariva. 37 Ny andro dia madiva 38 Hamoha ny torimason'ny lanitra sy tany 39 Ka hamerina avy any... 40 Avy any, nefa avy aiza? Avy aiza ry Fanahy 41 Toa trotraka, manahy? 42 Avy aiza no nampita ilay mba nofinofinao 43 Izay namonto, no injao 44 Mihamalefaka ao am-po, mihamalefaka ao an-tsaina, 45 Toa rano nafanaina? |
Mis à jour le 2025/07/29 |
![]() |